Ranomasimbe Indiana
Avy amin'i Wikipedia
Ny ranomasimbe indiana dia nantsoina hoe ranomasimbe atsinanana na ranomasin'i India taloha. Manana velarana 75.000.000 km² izy ary voafaritr'i India, Pakistan sy Iran any avaratra ; Birmania, Thailandia, Malezia, Indonesia ary Aostralia any atsinanana ; ny ranomasimbe antartika any atsimo ary Afrika sy ny saikanosy arabo any andrefana.
[Ovay] Ireo nosy ao amin'ny Ranomasimbe Indiana
- ny nosy Madagasikara
- ny tamba-nosy Kaomory
- ireo nosy Seychelles
- ny nosy La Réunion
- ny nosy Maorisy
- ny nosy Rodrigues (miankina amin'ny nosy Maorisy)
- ireo nosy miparitaka : Bassas da India, Europa, Glorieuses, Juan de Nova ary Tromelin
- Diego Garcia, tany anglisy any amin'ny ranomasimbe Indiana ao amin'ny tamba-nosy Chagos
- ireo nosy Maldives
- Sri Lanka
- ny tamba-nosy Andaman sy Nicobar, tanin'ny Union indienne
- ny nosy Christmas, tanin'i Aostralia
- ireo nosy Cocos, tanin'i Aostralia
- ireo nosy indoneziana manaraka ny moron'ny nosy Sumatra : Banyak, Simeulue, Nias, Mentawai, Enggano, sy ny moron'ny nosy Java : Deli, Tinjil, Kambangan, Sempu.
Ao koa ireo nosy izay ao anatin'ny Terres australes et antarctiques françaises :
- ny nosy Amsterdam sy ny nosy Saint-Paul,
- ny tamba-nosy Crozet,
- ny tamba-nosy Kerguelen (antsoina ihany koa hoe îles de la Désolation).
Ny ranomasimbe | ||||
Arktika |
Atlantika |
Antarktika |
Indianina |
Pasifika |