Ohabolana
Avy amin'i Wikipedia
Ny ohabolana dia fehezanteny mirakitra fahendrena fampiasa matetika. Fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana, izay midika hoe teny no nahazoana io teny io. Afaka ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro izy, fa tena fanaingoana kabary indrindra koa. Teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia haren-tsaina miampita amin'ny alà lan'ny lovan-tsofina toy ny angano ny ohabolana. Eto amin'ity wiki-pahalalà na ity, dia napetraka ao anaty fizarana iray ao anaty pejy iray ny ohabolana fantatra mahakasika iny pejy iny.