Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)
Avy amin'i Wikipedia
[Ovay] I Dox
Jean Verdi Salomon Rakazandraina no tena anarany. Teraka tamin'ny 13 Janoary 1913 tao Manakavaly. Nampianatra tany Antsirabe i Dox, ary tamin'izany no nahafantarany an'i Razanabololona Perle izay tonga vadiny tamin'ny taona 1943. Nipetraka tao Mandoto izy ireo talohan'ny nifindrany tao Antananarivo indray noho ny antony ara-pahasalamana. Taom-paoriana ho an' i Dox ny folo taona nanomboka teo satria maty tamin'ny 1945 ny zanany voalohany. Nodimandry tamin'ny Febroary 1949 ny zanany fahatelo, ary iray volana taorian'io dia nandao koa ny rainy (Marsa 1949). Tamin'ny 1954 kosa no nodimandry i Razanabololona Perle vadiny. Maty tamin'ny 14 Jiona 1978 tao Antananarivo izy, ary milevina ao amin'ny fasan-drazany ao Anjanapara Antsirabe.
[Ovay] I Dox sy ny zava-kanto
Mbola kely i Dox dia efa liana tamin'ny zava-kanto. Samy nahasarika azy tamin'izany ny mozika, ny tononkalo ary ny hosodoko. Efa nisoratra anarana tao amin'ny Ecoles des Beaux Arts tao Antananarivo izy, avy eo nianatra tao amin'ny Paul Minaut ao Ambohijatovo Avaratra, izay sekoly samy mitaiza ny ankizy amin'ny zava-kanto.
Tao amin'ny Paul Minault no namakian'i Dox ireo tononkalony voalohany ka nanomezan'ny namany azy io solonanarana io. Efa nanangana tarika mpilalao an-tsehatra izy, saingy tsy nankasitrahan'ny ray aman-dreniny. Tamin'ireo gazety niseho tao Antananarivo avy eo no nanehoan'i Dox ny asa-sorany. Isan'ny namoaka ny tononkalon'i Dox ny gazety "Ny Mpandinika", "Ny Kitan'ny Maraina" ary "Ny Tantsinanana". Tamin'ny 1941 izy no namoaka ny amboaran-tononkalony voalohany tamin'ny boky "Ny Hirako".
Taorian'ny nahafatesan'ny vadiny (1954) dia nirona tamin'ny fanaovan-gazety i Dox izay vao nifantoka tanteraka tamin'ny literatiora. Isan'ny nanangana ny fikambanan'ny poeta sy mpanoratra malagasy izy ("Union de Poetes et Ecrivains Malgaches" - UPEM), sy ny fikambanana "Tsiry" ka ny tanjona tamin'io dia ny hanampiana ireo mpanoratra vao misondrotra. Niaraka niasa tamin'ny mpamoron-kira malaza toa an'i Naly Rakotofiringa sy Ramaroson Wilson, sy ny mpihira toa an'i Ossy sy Ludger Andrianjaka izy. Misy tononkalony koa namoronan'ny mparonon-kira taty aoriana feony. Isan'izany ny "Isaky" (Feony : Bessa - Mpihira : Solo). Mihira ny asan'i Dox koa ny tarika Sorajavona.
[Ovay] Rohy hafa
- Tononkalon'i Dox ao amin'ny Serasera.org