Sihanaka
Avy amin'i Wikipedia
Ny Sihanaka dia isan'ny foko iray lehibe mandrafitra ny vahoaka Malagasy. Araka ny lovan-tsofina sy Tantara napetrak'ireo olon-kendry sy Mpanazary ary koa ny tantara iraisam-pirenena dia "Malay karazana" na "Malay race"[1] no razamben'ny Sihanaka. Izany hoe iray tarika sy fiandohana amin'ny vahoaka Filipina sy Malaizia, Marianas, Malukus, sns...
Izy ireo dia samy nipoitra avy tamin'ny vahoaka mpifindra-monina mampiasa ny fiteny Aostronezianina (Austronesian).
Ny Malay ([3]) dia karazan'olona fahadimy ka "zarazara hoditra" (brown) ny fihodirany. Izany hoe eo anelanelan'ny fotsy sy mainty, araka ny fikarohana nataon'ilay manam-pahaizana Alemana Johann Friedrich Blumenbach (1752-1840)[2] tamin'ny taona 1795. Hita taratra tokoa izany fihodirana zarazara izany eo amin'ny vahoaka Sihanaka. Ny teny hoe "Malay" dia mifandray amin'ilay teny Sihanaka hoe "milay" izay midika hoe tsara. Tsara tarehy sy bikana tokoa ny Tovovavy Sihanaka arak'izany. Marihina fa tsy tafiditra ao anaty rakibolana malagasy io teny Sihanaka iray io nefa ampiasain'ny Tanora Malagasy ankehitriny ka azon'ny besinimaro ny heviny.