Fahavaratra
Avy amin'i Wikipedia
Ny fahavaratra dia toetr'andro amin'ny vanim-potoana filatsahan'ny orana sy famokarana vokatra sy fambolena manomboka ny Oktobra ka hatramin'ny Martsa (enim-bolana). Ny teny fahavaratra dia heverina avy amin'ny teny varatra noho ny fisian'ny varatra matetika amin'io vanim-potoana io. Amin'ny fahavaratra koa no betsaka rivodoza.
Ny fahavaratra kosa raha manaraka ny fizaran-taona efatra ho an'ireo firenena amin'ny tapany ambonin'ny bolabolan-tany dia ny fotoana mampafana sy mahamaina ny andro, manomboka ny 21 jiona ka hatramin'ny 21 septambra.